4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voahangy - Feo Gasy

Sompatra loatra ireo dina ny fitia

Adin-tsaina mafy no tafiditra ao am-po

Hay ! Adinonao ilay dinantsika roa

Izay nanao fanekena fa lamban’akoho ry Voahangy

Andro roa volana no nandehananao

Tena mafy tamiko izao



Ireto zazakely anie jerena

Tsy voakarakara fa tena mahonena

Ny akanjo rovitra tsy misy mpanjaitra

Ny volo misaritaka tsy misy mpandraotra

Ny adintsika roa va re no diso tafahoatra

Hifonako aminao anie ry Voahangy



Voahangy a !

Vady vita soratra ianao, tandremo lahy

Voahangy a !

Vady vita mariazy ka tandremo lahy



Tsy antsoiko tody ianao sanatria

Satria ilay foko izay mbola tia

Fitiavako anao jerena

Mbola miantso anao hoe " miverena "





Philibert Rabezoaza


Partager voahangy

Commenter voahangy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite